<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>589</hymn_number>
<title>Ry Jesosy Tompoko, izay nanetry tena o FFPM589</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy Tompoko,
 Izay nanetry tena ô !
 Naka ny tarehinay
 Hanavotanao anay
 Mba omeo anay izao
 Ny Fanahy Masinao,
 Hanarahanay Anao.

[V2]
 Zanak'i Davida ô !
 Mba midira ao am-po,
 Raiso ka diovinao
 Izy ho tempolinao ;
 Izahay manasa Anao
 Honina ao am-po izao
 Koa mba ekeonao.</lyrics>
</song>